a
FandraisanaVaovaom-paritraCR ANDREVOREVO ANALALAVA : DAHALO MIISA 03 MATY VOATIFITRY ZANDARY‼️

CR ANDREVOREVO ANALALAVA : DAHALO MIISA 03 MATY VOATIFITRY ZANDARY‼️

CR ANDREVOREVO ANALALAVA : DAHALO MIISA 03 MATY VOATIFITRY ZANDARY‼️

Basy vita gasy sy fanafody mahery no hentin’ireo dahalo mandrava omby sy mampihorohoro ireo ny tantsaha eny Ambanivohitra. Nisy ny fitarainana nataon-dRamatoa iray very omby ny findohan’ny volana Mey 2023 teo ka nametraka paikady handravana ny zohy fieren-jiolahy ao atsimon’ny kaominina Andrevorevo Distrika Analalava.

Nidina tany an-toerana ny Zandary avy ao amin’ny vondrontobim-paritra Antsohihy izay notarihin’ny Kapiteny Bertin Roger ka dahalo mpamerin-keloka miisa 03 maty voatifitra nandritra ny fifandonana ny maraina ny 25 Mey 2023 tokony ho tamin’ny 01 Ora maraina teo.

Lehilahy 42 taona no zoky indrindra tamin’izy ireo raha 18taona sy 22taona ny sasany. Efa voatifitra noho ny halatr’omby nataony tamin’ny 2004 ny iray‚ vao nivoaka ny fonja 04 volana ny iray‚ raha lehilahy tokony mbola mamita saziny any am-ponja nefa voalaza fa nandositra kosa ny iray hafa tamin’ireto lehilahy voatifitra ireto. Azo niaraka tamin’izy ireo ny basy lava sy fohy vita gasy miaraka amin’ny fanafody fampiasain’izy ireo.

Fanomezam-baovao ara-potoana ny zandary avy tamin’olona tsara sitrapo no nahazahoana izao vokatra izao. Manentana ny vahoaka hanamafy ny fiarahamiasa ny komandy ny vondrontobim-paritra Antsohihy‚ mba afahana mampandry fahalemana‚ hiainan’ny vahoaka ampilaminana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment