a
FandraisanaFambolena sy fiompinaGREEN UNIVERSE MADAGASCAR : HANDRAKOTRA ALA MAITSO NY TANÀNA AO BEFANDRAMA ANALALAVA ARY HAMPIASA VAHOAKA MARO‼️

GREEN UNIVERSE MADAGASCAR : HANDRAKOTRA ALA MAITSO NY TANÀNA AO BEFANDRAMA ANALALAVA ARY HAMPIASA VAHOAKA MARO‼️

GREEN UNIVERSE MADAGASCAR : HANDRAKOTRA ALA MAITSO NY TANÀNA AO BEFANDRAMA ANALALAVA ARY HAMPIASA VAHOAKA MARO‼️

Tao Befandrama no niasa tao anaty fe-potoana lava ny Tetik’asa “Delta Jatropha” izay efa nifarana sy efa tapitra. Ny 15 Mey 2023 teo dia tonga tao Ankerika‚ manamboatra lalana mandeha any Befandrama Analalava ny Orinasa “GREEN UNIVERSE MADAGASCAR” izay manana vinam-pampandrosoana goavana ao Befandrama sy ny manodidina ary ato amin’ny faritra Sofia.

Manana vina handrakotra ala maitso amin’ny karazan-kazo maroloko ao Befandrama ity Orinasa ity ka hampiasa olona maro‚ hanao “grande pépinière” sy hamboly zana-kazo ary hanaramaso izany. Raisina an-tànana ny momba ireo olona miasa ao anatiny ka hisy ny fanorenana trano maromaro (logement pour les travailleurs‚ Hôpital‚ école‚ Bâtiment administratif‚ Socio-culturel …). Miisa 05 ireo “site” kasaina ho apetraka izay asina ireo fitaovana marolafy voatanisa etsy ambony avokoa.

Efa mandeha ny fanamboran-dalana afahana mampiditra ireo fitaovana amin’ny “conteneur” maro any. Efa tonga tamin’ny herinandro teo ny fitaovana fanamboarana boriky (machine parpaing) miisa telo‚ fitaovana fanaovana lava-drano miisa 16 izay afaka mandavaka hatramin’ny 60 metatra…

Andriamatoa Fidèle Emilson – ny Tale misahana ny fotodrafitrasa sy fampandrosoana ny faritra Sofia no nisolontena ny Governoram-paritra‚ nidina ifotony sy nifampiresaka ary nanaramaso ny fizotran’ny asa ataon’ireto vahiny ireto ny herinandro lasa teo.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment