a
FandraisanaVaovaom-paritraANDILAMENA : TOVOLAHY NANOLANA ZAZAVAVY 07 TAONA VOASABOTRY ZANDARY ‼️

ANDILAMENA : TOVOLAHY NANOLANA ZAZAVAVY 07 TAONA VOASABOTRY ZANDARY ‼️

ANDILAMENA : TOVOLAHY NANOLANA ZAZAVAVY 07 TAONA VOASABOTRY ZANDARY ‼️

Potika tanteraka ny fivavian’ilay zazavavy kely 07 taona naolan’ity Tovolahy ity ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao‚ raha ny fanazavana voaray avy an-toerana.

Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary rehefa nahazo fitarainana tamin’ny vondrona miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny zaza sy vehivavy ao Andilamena ny 18 Mey 2023.

Voasabotra tao Antsiradava ilay lehilahy voalaza fa nahavanon-doza‚ nosamborina ihany koa ilay vehivavy niray tsikombakomba taminy‚ ity farany moa vehivavy nametrahan-dReniny fahatokisana‚ nametrahana ny zanany rehefa mandeha miasa‚ manasa lamba ny Reniny.

Samy atolotra ny fitsarana izy roa ireto aoriany famotorana atao azy‚ hoy ny fanazavana nataon’ny GPHC Velson Tsirafy Francis – komandy ny tobim-paritry zandary Andilamena.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment