TOAMASINA : MIARAMILA AMPERINASA NY IRAY TAMIN’IREO JIOLAHY 04 NIKASA HANAO FANAFIHINA MITAM-PIADIANA MAHERY VAIKA ‚ IZAY MATY VOATIFITRA TEO AKAIKY NY “CIMETIÈRE”⁉️
Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’ireo Polisy fa efa eny an-kianja ireo olon-dratsy 04 hanao fanafihina miaraka amin’ny basy ny marainan’ny alarobia 12 April 2023 . Tonga ara-potoana ny Polisy avy ao amin’ny FIP ka raikitra ny fifanjevoana tokony ho tamin’ny 09 Ora maraina teo.
Jiolahy miisa 04 no maty voatifitra ‚ izay voalaza fa efa rain-dahiny sy mpampihorohoro vahoaka ao Toamasina.
Voalaza ihany koa fa mpitandro filaminana ‚ miaramila mbola amperinasa ny iray tamin’ireo maty voatifitra sy voalaza ho Jiolahy nirongo basy hanao fanafihina ireo.
Mandeha ny fanadihadiana ankehitriny ‚ andrasana izay mety ho tohiny fa ny azo ambara hatreto dia mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina.