DEPIOTE JACK : NIERA TAMIN’NY PRAIMINISITRA IZAHO MIALOHA NY HATONA AN’I SITENY SY NIARAHABA AZY TENY AMIN’NY SERANAM-PIARAMANIDINA INY▪️TSY MBOLA NIOVA IHANY KOA FA MANOHANA FITONDRANA ANKEHITRINY NY TENAKO‼️
Nitondra fanazavana manoloana ilay sar’izy sy Depiote Siteny Randrianasoloniaiko teny amin’ny seranam-piaramanidina Sambava niparitaka omaly 11 April 2023 ny Solombavambahoakan’i Madagasikara Mamangy Norbert dit Jack.
Niera tamin’ny Praiminisitra NTSAY Christian lehiben’ny Governemanta izay niaraka tonga tamin’i Siteny teo amin’ny seranam-piaramanidina ny tenako amin’ny maha samy Solombavambahoaka anay fa tsy misy fanohanana azy . Izaho dia mbola manoha sy miaraka amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny ary tsy mbola niova no tsy hiova amin’izany fa niera tamin’ny Praiminisitra tsara aho mialoha ny handeha hitsena azy » ‚ hoy ny fanazavana nataony Depiote Jack taoriany fiparitahan’iny sary iny.
Ity farany moa nilaza fa anisan’ireo Solombavambahoaka nitsipaka ny « motion de censure » izay nataon’ny Solombavambahoaka an-jatony mahery ‚ hanalana ny Praiminisitra NTSAY Christian lehibeny Governemanta amperinasa ankehitriny . “Mila fampandrosoana i Madagasikara ”‚ hoy izy namarana ny teniny.