a
FandraisanaPolitikaHAJO ANDRIANAINARIVELO : AOKA IZAY NY VAVA-BE FA MILA ASA MIVAINGANA NY VAHOAKA

HAJO ANDRIANAINARIVELO : AOKA IZAY NY VAVA-BE FA MILA ASA MIVAINGANA NY VAHOAKA

HAJO ANDRIANAINARIVELO : AOKA IZAY NY VAVA-BE FA MILA ASA MIVAINGANA NY VAHOAKA

Nitsidika ny faritra Sofia ‚ Antsohihy izay renivohitry ny faritra Atoa Hajo ANDRIANAINARIVELO – filohan’ny antoko politika MMM ( Malagasy Miara Miainga ) androany 08 April 2023 ‚ nitafa mivantana tamin’ny vahoaka ary nifanakalo hevitra amin’ny hitondrana ny fampandrosoana sy hamahana ireo olàna maro atrehin’ny vahoaka Malagasy.

Tsy ilaina intsony ny vava-be ‚ tokim-pitiavana feno fampanantenana poak’aty fa mila asa mivaingana ny vahoaka Malagasy . Niaradia tamin’ny filoha Andry Rajoelina izahay ato amin’ny MMM satria niara-nitolona hanala ny vahoaka ao anaty fahantrana lalina ‚ zavatra roa no nangatahinay tamin’Atoa Filoha dia ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ary ny fanalalahana ny fandraharahana eto Madagasikara saingy tsy tanteraka izany hatramin’izao ka dia niala izahay . Na eo aza anefa izany ‚ nanao ezaka ihany izahay tamin’ny ministera izay notantaninay ‚ porofon’izany ny namerenana ny fifampitokisana sy fiarahamiasa amin’ny Banky iraisam-pirenena mba azahoana vola hanamboarana ireo lalam-pirenena potika anisan’izany ny RN31 izay nampitaraina ny Depiote Volahaingo ‚ izay tsy mora ‚ eo ihany koa ny fametrahana ny biraon’ny fananantany 60 ‚ raha 20 monja izany teo aloha . Efa niasa sy niezaka isika amin’ny fitadiavam-bahaolana kanefa miankina amin’ny fandraisan-tsika rehetra andraikitra ny fampandrosoana satria fanapahan-kevitra raisinao ao anaty 10 minitra mandritra ny fifidianana ‚ vidinao lafo mandritra ny 05 taona raha diso safidy ‚ hoy Hajo ANDRIANAINARIVELO ‚ nilaza fa vonona handray andraikitra matoa nanao politika tsy matahotra mifanandrina na amin’iza na amin’iza.

Ianareo mpitondra no mampahantra ny vahoaka ‚ mihatsara velatsihy ka tokony hanova fomba fiasa ‚ ny zava-drehetra ilana vola avokoa ‚ omena fiofanana manao zazavao ny tanora kanefa takiana vola be “rangement” aveo ‚ manao dahalo ny sasany tsy manam-bola na manana havana mahitahita izay anisany fototry ny tsy fandriampahalemana ary mampahantra vahoaka ‚ hoy ireo tanora naneho ny heviny . Mila apetraka mazava kosa ny fitsipi-dalao mba tsy hifamitaka hoy solontenan’ireo zokiolona nilaza fa misy fanavakavahana resa-poko eto Madagasikara ary izany no anisany mampahantra sy miteraka fankahalana eo amin’ny samy Malagasy ( Tanindrana sy anivon-tany ) firy isan-jaton’ireo minisitra avy ao anivon-tany ? Ny avy aty aminay Sofia tsy misy na iray ‚ heveriko ho tsy rariny izany ary sahala amin’ny tanalahy nitsahin’omby izahay izao ‚ mijery ihany fa tsy faly.

Nopotsirin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Bealanana tamin’ny masom-boanginy moa ny resaka fa tsy misy fitsinjaram-pahefana tena izy izany eto ary any Antananarivo ny fanapahan-kevitra rehetra miainga . Resaka fahazahoan-dalana manondrana lavanila any Antananarivo kanefa any tsy misy atialan-davanila ‚ resaka fahazahoan-dalana manondrana drakaka ‚ hazan-dranomasina any Antananarivo kanefa any tsy misy ranomasina… Tsy rariny izany koa samia tonga saina sy tsy ho voarebireby intsony isika manomboka izao hoy Depiote Volahaingo Marie Thérèse ‚ nanakiana mafy ny rafitra mijoro ankehitriny izay tsy mahavaha olàna.

Tao anaty efitrano iray tao Ambendrana Ankiririky sud no nanatanterahan’ny antoko politika MMM ny fihaonana sy tafa tamin’ny vahoaka androany ity.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment