a
FandraisanaVaovaom-paritraJLY LYLYSON : HISY TETIK’ASA GOAVANA HIARANA AMIN’IREO VAHINY ITALIANA ATO AMIN’NY FARITRA SOFIA

JLY LYLYSON : HISY TETIK’ASA GOAVANA HIARANA AMIN’IREO VAHINY ITALIANA ATO AMIN’NY FARITRA SOFIA

JLY LYLYSON : HISY TETIK’ASA GOAVANA HIARANA AMIN’IREO VAHINY ITALIANA ATO AMIN’NY FARITRA SOFIA

Herintaona katroka izay no nisian’ny fifampiresahana tamin’ireo vahiny italiana sy ny Governoran’ny faritra Sofia amin’ny hisian’ny fiarahamiasa eo amin’ny mpandraharaha vahiny sy ny faritra Sofia . Nampahafantarina ireo vahiny tamin’izany ireo vokatra sy maha tany lonaka ny faritra Sofia izay misy karazan-javaboary maro ‚ harena maro ary ireo sakana tsy mampandroso ny faritra sy ny filàny.

Androany 08 April 2023 no nidina ifotony sy nifampiresaka indray tamin’ny Governoran’ny faritra amin’ny fanatanterahana ireo tetik’asa ‚ izay hiompana misimisy koakoa amin’ny fiarovana sy fanatsarana ary fampandrosoana ny tontolo iainana ‚ ny fambolena ary famatsiana herinaratra avy amin’ny alalan’ireo toha-drano misy ato amin’ny faritra . Androany ihany dia nandeha fiara ho any Analalava izy ireo ‚ namakivaky ny lalam-pirenena faha-31a

Mitohy ary miezaka mitady fiarahamiasa amin’ireo mpandraharaha vahiny izahay ho fampandrosoana ny faritra Sofia ‚ hoy ny Jly Lylyson René de Rolland – Governora Faritra Sofia .

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment