a
FandraisanaToekarenaMANANARA : NANDORO KODIARANA IREO MPISEHATRA AMIN’NY LAVANILA‼️

MANANARA : NANDORO KODIARANA IREO MPISEHATRA AMIN’NY LAVANILA‼️

MANANARA : NANDORO KODIARANA IREO MPISEHATRA AMIN’NY LAVANILA‼️

Voalaza fa tsy mbola nahitana mangirana hatreto ny vahaolana momba ny seham-pihariana lavanila eto Madagasikara ‚ fandaniam-potoana sy fanapempoina ny sain’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny lavanila fotsiny no nisy nandritra ny fivoriana niarahany Minisitry ny varotra sy mpikambana CNV ary ireo mpandraharaha miatsehatra amin’ny lavanila omaly fa tsy nisy vahaolana matotra akory fa ny teo ihany ny teo araka ny loharanom-baovao voaray.

Lazao fa olona voakarama indray ireo manao fihetsiketsehana any mananara avaratra ireo ‚ tsy misy vahaolana matotra sy azo tsapain-tànana eto raha mbola eo ilay olona ahiana ho misakantsakana sy mifehy ny sehatra ara-toekarena maro eto Madagasikara ‚ hoy ny olom-pirenena maneho ny heviny manoloana ny zava-misy.

Nandoro kodiarana sy nanao fihetsiketsehana ireo mpisehatra amin’ny lavanila ao Mananara avaratra androany 28 Martsa 2023 noho tsy fisian’ny mpividy lavanila ary fameran’ny fanjakana ny vidin’ny vokatra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment