a
FandraisanaSosialyFORUM DES JEUNES SOFIA : 31 MARS – 01 AVRIL 2023

FORUM DES JEUNES SOFIA : 31 MARS – 01 AVRIL 2023

FORUM DES JEUNES SOFIA : 31 MARS – 01 AVRIL 2023

Tanterahina eto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia ‚ manomboka ny zoma 31 Martsa ary faranana sabotsy 01 April 2023 ny zaikaben’ny Tanora Sofia ( FORUM DES JEUNES SOFIA ) . Fotoana natokana hanaovana dinik’asa sy fanambarana ofisialy ny fijoroan’ny vondrona iraisany Tanora Sofia ( PLATEFORME DES JEUNES SOFIA ).

Sokafina amin’ny fomba ofisialy ny zaikaben’ny Tanora amin’ny 08 Ora sy sasany maraina ny zoma 31 Martsa ary mitohy avy hatrany amin’ny atrik’asa iarahany tanora ao amin’ny Maison des élus . Hisy ny fikaon-dohan’ny tanora manerana ny Distrika 07 ato amin’ny faritra ny tolakandro ‚ handrafetana ny drafitr’asa tanterahina mandritra ny taona 2023.

Sabotsy 01 April 2023 amin’ny 05 Ora maraina ny fotoan’ny tanora rehetra ‚ hiarahientana amin’ny fambolen-kazo honko na zanaka honko ao Antafiampatsa . Mitohy amin’ny fifampizarana traikefa amin’ny fampandrosoana ny Tanora sy ny fikambanana misy azy izay iarahana amin’ireo zoky efa ampy traikefa amin’izany ary hanasana ny tanora rehetra tsy an-kanavaka ao amin’ny Maison des élus manomboka amin’ny 09 Ora sy sasany.

Sabotsy tolakandro amin’ny 03Ora sy sasany ‚ famaranana sy fampahafantarana ofisialy ny fijoroan’ny « PLATEFORME DES JEUNES SOFIA » ary fanambarana ireo vinan’asa sy hetsika ataon’ny tanora mandritra ny taona 2023 eo anatrehan’ireo zoky sy Ray aman-dReny ary tompon’andraikitra ara-panjakana ao amin’ny Tropic Hôtel Ambalabe ampitan’ny Assurance Aro.

Hisy ny “ BAL DES JEUNES ” ao amin’ny CLUB SUPER TAUREAU ny alin’ny sabotsy 01 April 2023 amin’ny 09 Ora alina ( PAF : 5 000Ar ‚ Invitation : 20 000Ar )

+261 34 87 016 05 ‚ +261 34 69 911 64 raha mila fanazavana fanampiny na handray anjara amin’ny fanasana ( invitation ).
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment