a
FandraisanaToekarenaPIERRE MARCOLINI : NITSIDIKA NY TOERAM-PAMOKARANA LAVANILA‼️

PIERRE MARCOLINI : NITSIDIKA NY TOERAM-PAMOKARANA LAVANILA‼️

PIERRE MARCOLINI : NITSIDIKA NY TOERAM-PAMOKARANA LAVANILA‼️

Omaly 27 Martsa 2023 no tonga teto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia ‚ izay misy ny Orinasa SAHANALA VANILLE ato amin’ny faritra ireo mpandraharaha lehibe avy any ivelany ‚ notarihiny Pierre Marcolini Tompon’andraikitry ny Orinasa mpamokatra Chocolat 🍫 fanta-daza eran-tany ( Chocolatier Belge ) ‚ miaraka amin’ireo mpanao gazety vahiny.

Fitsidihana ny toeram-pamokarana lavanila sy ozinina ampiasainy Orinasa SAHANALA no antondian’izy ireo . Nanontrona ny fahatongavany teny amin’ny seranam-piaramanidina Antsohihy ny Jeneraly Lylyson René de Rolland – Governoran’ny faritra Sofia sy ny ekipany ‚ ireo lehiben’ny mpitandro filaminana ary ireo avy ao amin’ny Orinasa SAHANALA.

Marihina fa i Madagasikara no manana kalitaon’ny vokatra lavanila tsara indrindra eran-tany.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment