MANAMBONINAHITRA SY JENERALY MARO NIAKATRA GALONA : MANANA TAMBERIN’ADIDY FENO AMIN’NY VAHOAKA SY FITONDRAM-PANJAKANA‼️
Miisa 35 ireo manam-boninahitra sy Jeneraly nisitraka fampakarana galona , ankoatran’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena izay nahazo fisondrotam-moninahitra ho « Général de Corps d’Armée » . 23 ireo Kolonely nahazo ny laharam-boninahitra « Général de Brigade » raha 12 nahazo « Général de Division » . Ny 22 tamin’ireo avy amin’ny Tafika ary 14 hafa avy amin’ny zandarimariam-pirenena.
Manana tamberin’adidy feno amin’ny vahoaka Malagasy sy ny fitondram-panjakana izy 36 mirahalahy niakatra galona ireo ka andrasana amin’izy ireo araka izany ny fandraisana andraikitra feno amin’ny maha kintana fitarikandro azy ‚ hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena.