RN31 : RAIKITRA NY TANAMARO FA TSY AFAKA NY LALANA‼️
Ity ilay lalam-pirenena faha-31 izay mampifandray ny Distrikan’i Bealanana sy Antsohihy izay nolazain’ny Filoham-pirenena sy Praiminisitra fa hamboarina ‚ hatao tara ( goudron ) ary ho tohizana hatrany amin’ny Distrikan’i Andapa.
Tsy afaka ireo kamiao ary nikatso teo Antsaramaso ny fifamoivoizana ka raikitra ny tanamaro ‚ fampiasana angady nanamboarana ny lalam-pirenena mba afahana mandeha sy manohy ny velon-tena.
Hatreto ‚ tsy mbola manomboka ny asa . Andrasany maro araka izany ny fanamboarana ity lalana ity sy fanatanterahana ny fampanantenana izay natao tamin’ny vahoakan’i Bealanana.