a
FandraisanaPolitikaMANANJARY : VOAHITSAKITSAKA NY LALAM-PANORENANA▪️NOHIDINA NY VAVANY HOY SITENY‼️

MANANJARY : VOAHITSAKITSAKA NY LALAM-PANORENANA▪️NOHIDINA NY VAVANY HOY SITENY‼️

MANANJARY : VOAHITSAKITSAKA NY LALAM-PANORENANA▪️NOHIDINA NY VAVANY HOY SITENY‼️

Mafy ny manjohy ireo mpitandro filaminana amin’izao toedraharaham-pirenena manomboka mafana izao . Efa hatramin’ny omaly no tonga teny amin’ny toerana hanatanterahana tatitra ataony Solombavambahoaka sy hetsika MIHAVA TOUR izay 08km miala ny tanàna ao Mananjary ‚ toeran’ny Depiote Haja ( Domaine privée ) ‚ ireo mpitandro filaminana mba handrava ny lampihazo saingy tsy tanteraka izany ‚ niverina vao maraina be indray androany 25 Martsa 2023 ‚ mba hisakana ny hetsika araka ny baiko azon’izy ireo.

Noraràna tsy hiakatra eny ambony lampihazo ireo Solombavambahoaka ‚ noho izy nofaritana ho faritra mena araka ny fanazavana . Afaka niakatra ihany anefa izy ireo rehefa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny Solombavambahoaka sy ireo mpitandro filaminana . Tsy nisy ny tatitra vita ‚ tsy vita ihany koa ny hetsika MIHAVA TOUR fa voasakana . Nohidina ny vava i Mananjary ka tsy rariny ary tsy ara-dalàna izany ary manitsakitsaka ny lalam-panorenana ‚ tsy manome tsiny ireo mpitandro filaminana isika fa baiko ny azy ‚ rahalahintsika sy anadahintsika izy ireo ary mpiarabelona amintsika fa saingy tsy afa-manoatra ‚ hoy Siteny Randrianasoloniaiko nanambara sy nanome toky fa mbola hiverina any Mananjary.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment