a
FandraisanaVaovaom-paritraFIRENENA MANDALA NY DEMOKRASIA : VOASAKAN-TSAKANA INDRAY NY FANAOVANA TATITRA AO MANANJARY‼️

FIRENENA MANDALA NY DEMOKRASIA : VOASAKAN-TSAKANA INDRAY NY FANAOVANA TATITRA AO MANANJARY‼️

FIRENENA MANDALA NY DEMOKRASIA : VOASAKAN-TSAKANA INDRAY NY FANAOVANA TATITRA AO MANANJARY‼️

 Efa hatramin’ny omaly 24 Martsa 2023 no nasain’ireo mpitandro filaminana narodana ny lampihazo izay najoro amin’ny toerana hanatanterahany Depiote Haja voafidy tao Mananjary ‚ ny tatitra hoan’ny vahoaka sady fihainoana ny feom-bahoaka amin’ny hetsika MIHAVA TOUR izay ataony Depiote Siteny Randrianasoloniaiko sy ireo mpiaradia aminy . Nitohy androany 25 Martsa 2023 ny fampihorohoroana amin’ny alalany fandefasana ireo mpitandro filaminana vao maraina be eny an-kijany ‚ tamin’ny 04 Ora maraina dia efa tazana nihantrana teny ireto mpitandro filaminana ireto araka ny fampitam-baovao voarainay.

 Omaly ihany koa ‚ nosakanana ny fiaramanidina manokana izay saika hitondra ny Depiote SITENY sy ireo Solombavambahoaka miaraka aminy hamonjy MIHAVA TOUR any Mananjary ‚ rehefa avy namonjy fihaonana niaraka tamin’ny CENI tao amin’ny Novotel-Alarobia Antananarivo . Nampiaka-peo manoloana izany moa ireo Solombavambahoaka miaraka aminy ‚ naneho ny firaisankina tamin’izy ireo Depiote Rossy izay nilaza fa Solombavambahoaka amperinasa izy ireo ka tokony halalaka amin’ny fivezivezena ‚ ny olom-pirenena maro ihany koa no nampatsiahy ny voalaza ao anaty lalam-panorenana fa malalaka ary manan-jo amin’ny fivezivezena eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny olom-pirenena tsirairay.

Ny maraina teo no fantatra fa efa ao Mananjary i Siteny Randrianasoloniaiko sy ireo Depiote namany ‚ andrasana ny tohim-baovao na ho voasakana na ho tanteraka ihany ny MIHAVA TOUR sy tatitra ataon’ireo Solombavambahoaka ao Mananjary androany.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment