a
FandraisanaFampianaranaPOLYTECHNIQUE VOTOVORONA : VATSIM-PIANARANA 05 VOLANA TSY AZO ‚ VEHIVAVY MPIANATRA NANAO FIHETSIKETSEHANA▪️NODAROHINA SY NABORIDANY MPITANDRO FILAMINANA

POLYTECHNIQUE VOTOVORONA : VATSIM-PIANARANA 05 VOLANA TSY AZO ‚ VEHIVAVY MPIANATRA NANAO FIHETSIKETSEHANA▪️NODAROHINA SY NABORIDANY MPITANDRO FILAMINANA

POLYTECHNIQUE VOTOVORONA : VATSIM-PIANARANA 05 VOLANA TSY AZO ‚ VEHIVAVY MPIANATRA NANAO FIHETSIKETSEHANA▪️NODAROHINA SY NABORIDANY MPITANDRO FILAMINANA

 Niditra any anaty faritry ny oniversite ireo mpitandro filaminana nikarapaka sy nandefa bomba mandatsa-dranomaso tamin’ireo mpianatra ao Votovorona omaly 23 Martsa 2023 . Lehilahy mpianatra iray sy vehivavy mpianatra iray no voasabotra nandritra ny savorovoro ‚ voalaza fa nanaparan’ireo mpitandro filaminana herisetra tanteraka io vehivavy voasabotra io ‚ voadaroka mafy sady naboridan’izy ireo ka nitanjaka tanteraka ilay vehivavy mpianatra ‚ araka ny fanazavana.

Tsy azo ekena ny herisetra atao amin’ny vehivavy ary takin’ireo vehivavy mpianatra ao Votovorona ny hamelana sy hamoahana ireo olona 02 voasabotra ‚ melohin’ireo vehivavy mpianatra any ihany koa ny fanararaotana sy herisetra ary fampitanjahana ny namany teo imasom-bahoaka.

 Hatreto‚ vatsim-pianarana 05 volana tsy mbola voaloan’ny fitondram-panjakana sy fotodrafitrasa maro eo anivon’ny oniversite simba ‚ kanefa tsy misy fanarenana no antony hetsika.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment