HANAMPY AN’I TURQUIE IZAY SAHIRANA NOHO NY LOZA NANJOHY AZY I MADAGASIKARA
Tafakatra 07 Tapitrisa ireo olona tsy manan-kialofana sy sahirana tanteraka vokatry ny horohoron-tany nahazo an’i Turquie ka miantso vonjy amin’ny firenena maro izy hanampy azy ‚ anisany nangatahana fanampiana i Madagasikara.
Namaly an-taratasy fa hanampy azy nandritra ny filan-kevitry ny minisitra omaly ny fitondram-panjakana Malagasy fa tsy mbola voafaritra kosa ny fanomezana atolony.
Efa mahazatra ny fitondrana ankehitriny ny mitondra fanampiana toy ny vatsy tsinjo na riz cantonais ‚ rehefa misy olona tra-boina vokatry ny loza voajanahary ‚ hitondra vatsy tsinjo sy riz cantonais ary bodo fotsy hoan’i Turquie ve ny filoham-pirenena sa handefa tosika fameno ? Hoy ny mpanara-baovao mametra-panontania.