FENERIVE EST : MAZOTO MAMPIASA FIMAILO NY TANORA‼️
Tafakatra hatramin’ny 60 mahery ireo olona tonga maka FIMAILO ( kapoty ) ao amin’ny maison des jeunes isaky ny alarobia . Tanora mpianatra ny 90 isan-jaton’izy ireo ‚ hoy ny tompon’andraikitra misahana ny tanora ao an-toerana.
Miaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ny fampiasana FIMAILO ary koa miaro amin’ny vohoka tsy hiriana ka tsy tokony hahamenatra ny fampiasana azy.