MANDRITSARA : LAVO NY ANDRAREZINA▪️NINDAOSIM-PAHAFATESANA NY SOJABE MANAMPITY ARMAND
Ray aman-dReny sady Sojabe manana ny maha izy azy sy ny hasiny ary fahefany eo amin’ny fiarahamonina itompokolahy MANAMPITY ARMAND . Hatairana no nandrenesam-baovao ny maraina teo fa lavo ilay andry niankinana ‚ ilay Ray aman-dReny mpanoro lalana tsara ‚ ilay Ray aman-dReny feno fahendrena sy mbola mitana ary mandala ny fomba maha Malagasy fa indrindra fomban-dRazana TSIMIHETY . Izy ihany no lasa fa ny tsara ‚ ny soa vitany rehetra mipetraka ho tantara hoan’ny taranaka faramandimby . Izy no Ray niteraka an’i Cyrille Todivelo ‚ Lehiben’ny Distrika Port Bergé.
Mirary fiononana feno ary mankahery ny fianakaviana rehetra sy ny zanaka Androna.