FANDEHANA ANTSOKOSOKO NAMOIZANA AIN’OLONA 30 MAHERY TAO ANKAZOMBORONA AMBILOBE : OLONA 15 NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA
Omaly 20 Martsa 2023 no niakatra fitsarana tao Antsiranana ny raharaha momba ny fanondranana olona antsokosoko ho any Mayotte izay nitera-doza tao Ankazomborona Distrika Ambilobe ary namoizana ain’olona 30 mahery ny 12 Martsa 2023 teo.
Miisa 19 ireo olona voasabotra sy voarohirohy tamin’iny raharaha iny ‚ nahiditra am-ponja vonjimaika ao Antsiranana ny 15 tamin’ireo ‚ raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny 04 anisany voarohirohy ‚ araka ny fampitam-baovao voarainay.