OMBY 23 SY ALIKA IRAY MATY NILATSAHAM-BARATRA TAO ANDOHAN’ILAKAKA‼️
Tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany ariva ‚ omaly 20 Martsa 2023 no nisy varatra nipoaka mafy be tao Manombobe – Kaominina Andohan’Ilakaka,District Ihosy Faritra Ihorombe . Maty nandritran’izany Omby 23 tany an-kijany sy alika iray.
Olona iray ihany tompon’ireto omby maty ireto ‚ maro ihany koa ny omby teny an-kijany fa ireo ihany no maty teo no eo ‚ raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana.