a
FandraisanaSosialyFMMS : MIFAMPIHINANA NY MANTA SY NY MASAKA

FMMS : MIFAMPIHINANA NY MANTA SY NY MASAKA

FMMS : MIFAMPIHINANA NY MANTA SY NY MASAKA

Ao anaty FMMS ( Fikambanana Mpanakanto Miray eto Sofia ) no ivondronany mpanakanto ato amin’ny faritra ‚ saika hita anatin’ity vondrona ity avokoa ny ankamaroany mpanakanto fanta-daza ato amin’ny faritra.

Vondrona natao hitakina zo ‚ sy hifampizarana ny manta sy ny masaka ary ny mora sy ny sarotra . Mpanakanto Raledey no filoha mpitarika ny fikambanana ‚ ity farany moa miantso firaisankina sy fidiran’ireo mpanakanto ao anaty fikambanana.

Tontosa ny sabotsy 18 Martsa 2023 teo ny lanonana fifampiarabana tratry ny taona ‚ nanontrona izany ny Talem-paritry misahana ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana ato amin’ny faritra Sofia ‚ ny filoha ny mpanolotsaina monisipaly Antsohihy ary ireo mpanakanto monina sy mpetraka eto Antsohihy ‚ nisy fizarana mofo mamy izay natolotry mpanakanto YDAH.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment