ANCIENS BARIKADIMY ANTSOHIHY – NIARA NITOTOREBIKA SY NANEHO FIFANKATIAVANA
Tao amin’ny Club Super Taureau no nanaterahany fikambanana maintimolalin’ny Barikadimy ( Anciens B5 ) ny lanonana mitalakotrokotroka fifampiarabana tratry ny taona 2023 ny sabotsy 18 Martsa teo . Omby iray vositra matavy izay natolotry ny mpikambana iray ao anatiny no lavo teto ho nofon-kena mitam-pihavanana.
Fikambanana iraisan’ireo nahavita fianarana tao amin’ny oniversite Barikadimy Toamasina izy ity ‚ hifanampiana sy hamonjena raha sendra ny sarotra ary hiarahana mifaly raha tojo fifaliana sy aravoana ‚ tsy hanavahana olona na foko fa iray ihany rehefa nivoaka tao amin’ny oniversite Barikadimy ka mitady ravinahitra na miasa eto Antsohihy ‚ faritra Sofia araka ny fanazavana nataony filohany fikambanana – Tilaide Robel Partout.
Tazana nanontrona ny lanonana ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali izay sady mpikambana ‚ ireo solotena avy amin’ny Distrika 07 ato amin’ny faritra Sofia sy avy any Ambanja ary ireo avy amin’ny fikambanana rahavavy.