a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaRIJADE : IZAHO TSY TIA ADY FA TIA VADY

RIJADE : IZAHO TSY TIA ADY FA TIA VADY

RIJADE : IZAHO TSY TIA ADY FA TIA VADY

Nitondra fanazavana manoloana ireo kaomantera mafy nahazo azy ity mpanakanto vehivavy fanaka malemy ity androany.

Mangala honondraha anareo vendrana manaratsy ahy ireo fa tsy misy olona vise-ko tamin’iny publication nataoko iny . Efa adiny dimy ( 5h de temps ) taoriana vao namaly ny idolenareo ka inona no hitenenareo zaho fa tia ady ? Zaho tia vady fa tsy tia ady ‚ hoy RIJADE tao amin’ny pejiny.

Raha tsiahivina dia nandefa publication tao amin’ny pejiny ity mpanakanto Malagasy tsara tarehy ity omaly izay milaza fa « Raha misy olona milaza fa madio ny sainy dia maloto ny sainy dikan’izany » . Io fanehoan-kevitra nohentiny hisangisangina amin’ny mpankafy azy io no navadik’ireo manampahaizana ato amin’ny facebook ho zavatra hafa.

Eo anatrehany izany rehetra izany dia manohana sy mankahery azy ireo mpanaraka sy mpankafy azy ary mirary azy mba hahazo izay hiriany rehetra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment