a
FandraisanaVaovaom-paritraPORT BERGÉ : TAFAHOATRA NY FANARARAOTANA ATAONY JIRAMA▪️ MIANTSO VAHOAKA HIKAON-DOHA AMIN’NY FITADIAVAM-BAHAOLANA NY BEN’NY TANÀNA

PORT BERGÉ : TAFAHOATRA NY FANARARAOTANA ATAONY JIRAMA▪️ MIANTSO VAHOAKA HIKAON-DOHA AMIN’NY FITADIAVAM-BAHAOLANA NY BEN’NY TANÀNA

PORT BERGÉ : TAFAHOATRA NY FANARARAOTANA ATAONY JIRAMA▪️ MIANTSO VAHOAKA HIKAON-DOHA AMIN’NY FITADIAVAM-BAHAOLANA NY BEN’NY TANÀNA

Tsy zaka intsony fa efa feno ny kapoaka amin’ny fanararaotana sy fanitsakitsahana zon’ny mpanjifa ataony orinasa JIRAMA ao Port Bergé . Manoloana ireo fitarainana maro izay voarainy Ben’ny tanàna dia miantso fivoriany mpanjifa sy vahoaka ao Port Bergé ny Ben’ny tanàna Adolphe Fiarema ny alarobia 22 Martsa 2023 izao‚ amin’ny 03 Ora tolakandro ao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina.

Fitadiavam-bahaolana manoloana ireo tsy rariny hiainany vahoaka toy fampandoavana sarany herinaratra fanindroany na efa voaloa tamin’ny taona 2010 ‚ fanapahana herinaratra tsy ara-drariny ary famatsiana tsy mifanaraka amin’ny sarany takiana amin’ny vahoaka no antony dinika sy fikaonan-doha miaraka ‚ koa entanina samy ho tonga ny rehetra miaraka amin’ny porofo ‚ hoy ny Ben’ny tanàna voafidy tao an-toerana ‚ izay efa leo amin’ny fanararaotana izay efa ho zary fahazaran-dratsy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment