a
FandraisanaVaovaom-paritraFIFANINANA HIDIRANA HO MPIANATRA POLISY : NIHENA NY TAHAM-PAZOTOAN’NY TANORA ATO AMIN’NY FARITRA SOFIA

FIFANINANA HIDIRANA HO MPIANATRA POLISY : NIHENA NY TAHAM-PAZOTOAN’NY TANORA ATO AMIN’NY FARITRA SOFIA

FIFANINANA HIDIRANA HO MPIANATRA POLISY : NIHENA NY TAHAM-PAZOTOAN’NY TANORA ATO AMIN’NY FARITRA SOFIA

Miisa 273 ireo mpiadina nandray anjara amin’ny fifaninana hidirana ho mpianatra polisim-pirenena Malagasy ‚ nisafidy ny ivon-toeram-panadinana Antsohihy faritra Sofia . 08 amin’ireo mpifanina no efa polisy fa manao “ concour professionnel ” hidirana sy hiakarana amin’ny galona “ inspecteur ” ‚ 43 mpifanina ho mpianatra “ inspecteur de police ” ary 222 mpifanina hiditra ho mpianatra Polisy ( Agent de police ).

Amin’ny ankapobeny ‚ nihena ny tahan’ireo tanora miatrika ny fifaninana hidirana ho Polisy ity raha ampitahaina tamin’ny taon-dasa ‚ mametraka ny mangarahara amin’ny fifaninana ny polisim-pirenena ary mijery sy mametraka ny miralenta ihany koa . Mamporisika ireo Tanora tsy hisalasala handray anjara amin’ny fifaninana fa natao hoan’olona rehetra manana diploma BEPC ‚ BACC ‚ … izany ‚ hoy ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Sofia sady mpanaramaso ny fifaninana ‚ CCP Moratamby Roger ‚ nitondra fanazavana.

Maharitra roa andro ny fifaninana izay atao amin’ny EPP Haute ville ‚ ahitana tanora avy amin’ny faritra hafa ‚ nisafidy ny hanao fanadinana aty amin’ny faritra Sofia . Mirary fahombiazana hoan’ireo tanora nanolo-tena sy nisafidy ny hanompo Tanindrazana ao amin’ny Polisim-pirenena Malagasy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment