ZANDARY SOFIA – TANINDRAZANA SY LALÀNA
Ankoatrany fampandrian-tany sy fikarohana ireo mandika lalàna ary fanaovana famotorana ho fanarahana sy fampiharan-dalàna dia mandray anjara amin’ny fiarovana ny tanindrazana tsy ho potika sy fanatsarana fiainam-bahoaka ny Zandarimariam-pirenena ato amin’ny faritra Sofia.
Zana-kazo 2 000 fototra no voavoly tao amin’ny fokontany Mahialambo ‚ kaominina Ampandriakilandy Distrika Antsohihy ‚ omaly 16 Martsa 2023 . Nitarika ny ekipany teny ny Kolonely Lys Odon Randriamidona ‚ Komandy ny vondron-tobim-pileovana Sofia.
Izay mamboly hazo mamelona aina sady mamelona an’i Madagasikara ‚ izay mandoro tanety ‚ mandoro ala ‚ mandoro Tanindrazana ka andao hiala amin’ny doro tanety ‚ hoy ny Kolonely Lys Odon nanentana ny rehetra hiara hientana amin’ny fambolen-kazo sy fiarovana ny ala sady nitondra teny fisaorana hoan’ny fitaleaparitry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy.