DREN SOFIA : NIARAKA NANADIO TOKOTANY IREO TOMPON’ANDRAIKITRA SY TALEM-PARITRA VAOVAO
Nandritra ny fananganan-tsaina niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitaleaparitry ny fanabeazam-pirenena omaly 13 Martsa 2023 no nampahafantaran’ny Talem-paritra vaovao – Mandimbilaza Noeriko Sylvain ‚ ny fahavononany sy fahazotoany hiarahiasa amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitaleavam-paritra sy nanomezany toromarika ireo mpiaramiasa aminy afahana mampandroso sy mampandeha ny raharaham-panjakana.
Nisy ny fiarahana nanadio tokotanin’ny biraon’ny fitaleaparitry ny fanabeazam-pirenena Sofia ny tolakandro ‚ ho fanehoana ny firaisankina sy fiarahana.