BEN’NY TANÀNA TOUTOU DAMIEN : MATY TAO ANATY TRANO FANDRAISAM-BAHINY
Tsy mbola fantatra mazava izay tena nanjohy azy fa niara-niditra tao anaty trano fandraisam-bahiny ( chambre ) iray tao Ambatondrazaka izy sy vehivavy iray voalaza fa mpiaramiasa aminy ny maraina teo ‚ Ora vitsy taorian’io no nikoropaka niantso vonjy tamin’ny mpiambina ilay trano fandraisam-bahiny ilay vehivavy niaraka taminy fa tsy mahatsiaro tena ilay Ben’ny tanàna ka mila vonjy.
Nohentina haingana namonjy toeram-pitsaboana izy saingy efa tsy nisy aina intsony araka ny fanazavana.
Ben’ny tanàna voafidy tao amin’ny kaominina Anororo ‚ Distrikan’i Amparafaravola izy . Mankahery ny fianakaviana rehetra.