a
FandraisanaPolitikaCHARLES HILAIRE SOLOHERY : JADONA NO MISY ETO MADAGASIKARA

CHARLES HILAIRE SOLOHERY : JADONA NO MISY ETO MADAGASIKARA

CHARLES HILAIRE SOLOHERY : JADONA NO MISY ETO MADAGASIKARA

Tsy manaraka fenitra demokratika ny fomba fiasan’ireo mpitandro filaminana izay mpampihorohoro vahoaka amin’ny hetsika ataony mpanao politika . Mazava ny voasoratra ao anaty lalam-panorenana fa mitovy ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalàna saingy tsy mihatra izany fa iharany anjonjay ary voasakan-tsakana ny hetsika ataon’ny mpanao politika sasany izay tsy miandany amin’ny fitondrana ary tsy ara-drariny ny fampiharana ny lalàna eto amintsika ‚ hoy Charles Hilaire Solohery – komity foiben’antoko MFM ‚ naneho ny heviny momba ny toedraharaham-pirenena ankehitriny.

Tokony faritan’ny CENI sy ny Antenimierampirenena mazava ny lalàna momba ny « précampagne » afahan’ny rehetra manao izany fa tsy ny fikambanana na antoko politika sasany avela manao fa ny sasany sakanana sy horohoroina . Na tsy miteny hoe « FIDIO AHO » ny sasany amin’izao fa ireo hetsika ‚ fitaomana olona maro hiatrika ny fitokanana na fametrahana fotodrafitrasa amin’izao dia mirona makany ny kabary ataony nefa tsy mazava ny vola ampiasainy na volam-panjakana na volany manokana . Mampisara-bazana ary mamotika soatoavina maha Malagasy ny fitondrana ankehitriny ‚ hita taratra izany tamin’ny fanampiana natolotry SITENY Randrianasoloniaiko hoan’ireo traboina tany atsimo atsinanan’i Madagasikara izay nosakanana fa ho tonga hanatitra ny azy ny filoham-pirenena kanefa ny soatoavina Malagasy dia milaza “ trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena ialofana ” ‚ hoy hatrany ny fanehoan-kevitra nataon’ity mpanao politika mpamakafaka ny toedraharaham-pirenena ity.

Nambarany fa mihena ary tsy toy ny tamin’ny taona 2018 intsony ny tanjakin’ny antoko politika mitondra ankehitriny noho ny fahadisoam-panantenanan’ireo nanohana sy nanampy azy tamin’izany ‚ izay efa manomboka miala azy ankehitriny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment