a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : TSY MIANATRA FA MITETY TRANO ‚ MANGATA-BOLA na SAKAFO IREO ZAZA TSY AMPY TAONA SAHIRANA

ANTSOHIHY : TSY MIANATRA FA MITETY TRANO ‚ MANGATA-BOLA na SAKAFO IREO ZAZA TSY AMPY TAONA SAHIRANA

ANTSOHIHY : TSY MIANATRA FA MITETY TRANO ‚ MANGATA-BOLA na SAKAFO IREO ZAZA TSY AMPY TAONA SAHIRANA

12Taona ny zoky indrindra ary 07 taona kosa ilay zandry amin’izy telolahy ireto . Tsy mianatra fa mitety trano mangata-bola sy sakafo no ataon’izy ireo raharaha andavan’andro.

 Mikarama manjaitra ny asany dadinay . Mbola kely izahay no nilaozany mamanay sy papanay nandeha any Marovoay ary napetrany tamin’ny dadinay ‚ izy no nikarakara sy mamelona anay . Tsy mandefa vola ny mamanay sy papanay ‚ miha malemy sy mahazo taona anefa io dadinay io ‚ tsy afaka miasa firy ka izy no maniraka anay mitady sakafo na mitady vola atao sakafo na hividianana sakafo ary tsy misakafo izahay raha tsy mahita vola na misy manampy ‚ hoy ireto zaza tsy ampy taona ireto nitantara ny zavatra iainany.

Tsy mbola nandalo sekoly na nianatra hatrizay naha olona azy ireto zaza ireto raha ny fanazavana nataony . Nohamafisin’izy ireo fa tsy malaina ary vonona ny hianatra izy raha misy manohana.

 Ny Fanabeazana sy fianarana no fototry ny saranga hoy ny olom-pirenena iray naneho ny heviny ‚ miankina amin’ny ahavon’ny fahalalana sy fahaizan’olona ao anaty fiarahamonina sy firenena ny fivoarana sy fandrosoana lovain-jafy ‚ voalazan’ny andininy faha-26 amin’ny fehezan-dalàna iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona “ Manan-jo hahazo fanabeazana ny olon-drehetra . Tokony ho maimaim-poana izany‚ farafaharatsiny any amin’ny fampianarana fototra . Tsy maintsy tontosain’ny rehetra ny fampianarana ambaratonga voalohany.” Adidin’ny Ray aman-dReny sy ny fitondram-panjakana ny manatanteraka io andininy voalaza io.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment