a
FandraisanaPolitikaSITENY RANDRIANASOLONIAIKO : MANOMBOKA ATAHORANA ARY MIRONA MANARAKA AZY IREO TOFOKA SY DISO FANANTENANA AMIN’NY FITONDRANA MIJORO ANKEHITRINY

SITENY RANDRIANASOLONIAIKO : MANOMBOKA ATAHORANA ARY MIRONA MANARAKA AZY IREO TOFOKA SY DISO FANANTENANA AMIN’NY FITONDRANA MIJORO ANKEHITRINY

SITENY RANDRIANASOLONIAIKO : MANOMBOKA ATAHORANA ARY MIRONA MANARAKA AZY IREO TOFOKA SY DISO FANANTENANA AMIN’NY FITONDRANA MIJORO ANKEHITRINY

 Tandindin-doza ny fihavanana Malagasy ary manomboka very hasina ny soatoavina izay mampiavaka an’i Madagasikara amin’ny firenena maro noho ny fampahantrana sy fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy ka very tanteraka ilay hoe « Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana » ‚ mivakivaky ary misara-bazana ny vahoaka noho ny antony maromaro fa indrindra ampirafesiny politika fandetehana ny firenena amin’ny lalina ka tsy maintsy mijoro isika rehetra mba hamaha izany rehetra izany.

« Nampahantraina ny seha-pamokarana rehetra (vanille, girofle, letchi…) noho ny fanaovan’ny olom-bitsy ampihi-mamba amin’ireo vokatra fanondrana ; simba tanteraka ny làlana ; manjaka ny tsy fandriampahalemana ; mikorosy fahana ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka ; manjaka ny kolikoly amin’ny sehatry ny fananan-tany, ny fifamoivozana, ny jono, ny fitsarana… » ‚ hoy ny feo nivoaka tao Fenoarivo Atsinanana ‚ nitantara ny maharary azy ny vahoaka nandritra ny MIHAVA TOUR ( MIHaino Atsika Vahoaka ) ‚ nataony SITENY Randrianasoloniaiko ‚ nontronon’ireo Solombavambahoaka namany izay diso fanantenana ka tofoka tanteraka amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny.

Tsikaritra fa miha maro ny olom-pirenena resy lahatra amin’ny fanarahana SITENY ‚ Niantso ny firotsahan-kofidiany ho Filoham-pirenena rahateo izay rehetra nandray fitenenana ka manomboka mihorohoro ireo mpanao politika sy ireo mikasa hirotsa-kofidiana ho Filoham-pirenena mahita ny hetsika ataon’i Siteny ary efa mandeha ny fandotoana ‚ mba hankahalany vahoaka azy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment