DEPIOTE JAO JEAN : ANY MAORISY MIALA SASATRA SY MANARAMASO NY FAHASALAMANY MIARAKA AMIN’NY VADINY
Tsy araka ny resa-be aelin’ny sasany ny zava-misy momba an’i Depiote Jao Jean ‚ any amin’ny Nosy Maorisy izy sy Vaney’s Harinomenjanahary vadiny ‚ manaramaso ny fahasalamany tahaka ny mahazatra sady miala sasatra ‚ raha ny fampitam-baovao voaray.
Miely mantsy fa marary mafy ao Antananarivo ity Solombavambahoaka ity . « Tsy hoe aretimbe araka ny aelin’ireo mpanaratsy fa manao “ contrôle ” tahaka ny mahazatra aty Nosy Maurice izahay ka Mirary atsika samy ho tahin-Jagnahary aby e » ‚ hoy mpanakanto Vaney’s vadiny nitondra fanazavana.
Marihina indimy voafidy ho Solombavambahoaka tato amin’ny Distrika Antsohihy i JAO JEAN ‚ Mirary soa ho azy hatrany