a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MANDEHA NY RAHARAHAM-PITSARANA MOMBA ILAY POLISY NANGALATRA MOTO-NY POLISY NAMANY

ANTSOHIHY : MANDEHA NY RAHARAHAM-PITSARANA MOMBA ILAY POLISY NANGALATRA MOTO-NY POLISY NAMANY

ANTSOHIHY : MANDEHA NY RAHARAHAM-PITSARANA MOMBA ILAY POLISY NANGALATRA MOTO-NY POLISY NAMANY

Very tao amin’ny Biraom-paritry ny filaminam-bahoaka ny alin’ny 15 hifoha 16 Febroary 2023 teo ny moto marika DF – 150 an’ny Polisy nanao fiambenana tamin’io fotoana io . Nametraka fitarainana ny tompony ary raikitra ny fikarohana teto Antsohihy sy ny manodidina.

Loharanom-baovao tamin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa nafenin’ireo nangalatra azy ny moto ary efa izy nahondrana tamin’ny fiara sprinter nifono labasy ambonin’ny tafo no sarona teo amin’ny fisakanana nataon’ny polisy Bekitrobaka ‚ hivoaka ny tanàna Antsohihy ho any Port Bergé . Sivily roa no sarona niaraka tamin’ity moto ity ny 03 Martsa 2023 teo ary ireo no nanondro fa polisy sy sivily iray nivarotra ity moto ity tamin’izy ireo .
Nihaiky ny hadisoany sy ny Zavatra nataony ilay Polisy voatondro ho tompon’antoka raha nohadihadiana . Ity farany moa ‚ Polisy “promotion” iray na niara-nivoaka tamin’ny andiany iray ihany ary mpiaramiasa ao amin’ny fitaleaparitry ny filaminam-bahoaka Sofia.

Tongotra vakivaky izy ity sady maharary no mahamenatra ‚ ary manala-baraka ny polisy izy ity fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto ‚ hoy ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Sofia ‚ raha nanontanianay . Anisany Ray aman-dReny manana ny maha izy azy sy traikefa amin’ny fitaizana sy fanabeazana ireo ambany fifehezany ity talem-paritra ity fa tojo ny sonjo iray lohasaha ‚ tsy ialaozany izay marara.

 Omaly 09 Martsa 2023 no nakarina fampanoavana ny raharaha ‚ nahiditra am-ponja vonjy maika ireo sivily telo voarohirohy . Mbola miandry fankatoavan’ny minisitry ny filaminam-bahoaka kosa ny fanenjehana ilay polisy araka ny SATA sy lalàna mifehy ny polisim-pirenena dia tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny minisitry ny filaminam-bahoaka vao afaka enjehina ny Polisy raha tsy tratra ambodiondry.

 Nanamafy ny lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy ‚ Ramorasata Jessé fa tsy misy ambonin’ny lalàna eto ‚ efa lasa ny taratasy fangatahana fahazahoan-dalana manenjika ilay Polisy ka andrasana ny valiny ary mitohy ny raharaham-pitsarana momba azy aveo.

 Andrasany maro araka io fankatoavana fanenjehana atao amin’ny Polisy voarohirohy amin’ny halatra moto io mba hisian’ny fitoviana eo amin’ny fampiharan-dalàna.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment