a
FandraisanaVaovaom-paritraFILOHA ANDRY RAJOELINA : SAMBATRA I MADAGASIKARA MANANA ANAREO VEHIVAVY

FILOHA ANDRY RAJOELINA : SAMBATRA I MADAGASIKARA MANANA ANAREO VEHIVAVY

FILOHA ANDRY RAJOELINA : SAMBATRA I MADAGASIKARA MANANA ANAREO VEHIVAVY

 Niavaka tokoa ny fankalazana . Kanto sy meva ny fitafinareo, nandona ny fo ny tsikitsiky sy haravoana nentinareo. Sambatra i Madagasikara manana anareo ‚ hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina niarahaba ny vehivavy tratry ny andro iraisam-pirenena hoan’ny vehivavy omaly 08 Martsa.

Tao Antananarivo ‚ renivohitry ny faritra Analamanga sady renivohitry Madagasikara no nanaovana zaikabe nasionaly fankalazana ny 08 Martsa 2023 teto Madagasikara izay nanasana solontena isam-paritra . Nanatrika izany teny an-toerana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina, izay reny mpiahy ny vehivavy malagasy rehetra.

Nandritra ny lahateny izay nataony dia tsy adinon-dRamatoa Mialy Rajoelina ny nitondra ny teny fankaherezana manokana ireo fianakaviana traboina, ireo izay namoy havana sy rava fananana noho ny rivo-doza nandalo teto amintsika farany teo.

Mikasika ny fampiroboroboana ny vehivavy malagasy dia naneho ny faniriany ny tenany ny mba hisitraka fanabeazana ny ankizivavy tsy an-kanavaka, hizaka tena ny vehivavy fa tsy ho voahilikilika eo anivon’ny tokantrano ary ho vahaolana eo anivon’ny Firenena. Tsy tokony ho fanaka malemy, na ravaky ny tokantrano intsony ihany ny vehivavy, hoy hatrany ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, fa manana andraikiny sy ny toerany eo amin’ny fiarahamonina ary izy ireo fototry ny fampandrosoana ny firenena.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment