08 MARTSA 2023 TAO IKONGO : LELA-VOLA 10 TAPITRISA ARIARY NATOLOTRY DEPIOTE SITENY ‚ HANAMPIANA EZAKA SY FAMPANDROSOANA MIARAKA AMIN’NY DEPIOTE BRUNELLE
Vahoaka maro no tonga nankalaza 08 Martsa 2023 tao Ikongo omaly ary nifanitsakitro ny vahoaka izay nontronon’ny Depiote SITENY Randrianasoloniaiko ‚ sy Depiote Voninahitsy Jean Eugène ary Depiote Brunelle izay voafidy tany an-toerana.
Distrika adino sy tsy nisy mpiraharaha ‚ hany nanao ny tsy fanao ‚ nivaro-janaka ny mponina noho ny fahasahiranana araka ny tatitra nataony Depiote Brunelle . Marary izany ary efa mihatra aman’aina mihitsy ny fahasahiranana ka tonga teny ifotony ny Depiote SITENY sady nanolotra vola 10 Tapitrisa Ariary ( 50 000 000Fmg ) hanampiana ny ezaka ataon’ny Depiote Brunelle amin’ny fampandrosoana ny tanàna ‚ tafiditra amin’izany ny vehivavy sahirana.
Faly sy velom-panantenana ny vahoaka ‚ izay mahatsiaro fa misy mpiahy na efa nadino aza hatrizay . Nitondra angidimby ‚ mba afahana namonjy vahoaka ara-potoana izy ireo noho ny haratsian-dalana . Omby matavy sy vary amin’ny gony maro no nanaovana nofon-kena mitam-pihavanana fanamarihana ny andron’ny vehivavy omaly ‚ avy tamin’i SITENY.