a
FandraisanaSosialy08 MARTSA – ANTSOHIHY : HENINKAJA SY HENIMBONINAHITRA NY VEHIVAVY

08 MARTSA – ANTSOHIHY : HENINKAJA SY HENIMBONINAHITRA NY VEHIVAVY

08 MARTSA – ANTSOHIHY : HENINKAJA SY HENIMBONINAHITRA NY VEHIVAVY

 Diabe namakivaky tanàna nihainga teo amin’ny Rond Point nihodina Bazarikely ‚ nandalo Tsaramandroso ‚ niakatra Bazaribe ary nofaranana tamin’ny kabary nifandimbiasana teo amin’ny Rond Point ny hetsika niraisan’ny vehivavy sy fikambanam-behivavy rehetra mivondrona ao amin’ny KB8M Antsohihy.

Izay nandray fitenenana dia nivoy mafy ny « Fanabeazana ny ankizivavy sy fizankantenan’ny vehivavy no antoky ny fampandrosoana lovain-jafy » ‚ io rahateo ny lohahevitra nosafidina tamin’ny fankalazana ny 08 Martsa ‚ andron’ny vehivavy 2023 . Tsy natao hiandry trano sy hanasa lamba sy vilia fotsiny ny vehivavy fa natao hanampy ny lehilahy sy ny fiarahamonina ary hitondra anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina sy firenena misy azy fa indrindra ny tokantranony . Mihainga avy amin’ny fanabeazana atao azy amin’ny fahatanorany izany ary mitondra any amin’ny fandrosoana lovain-jafy ‚ raha mizakatena ny vehivavy rehetra na tsy miankin-doha amin’ny lehilahy ‚ hoy ny Tale kabenetran’ny faritra Sofia raha nandray fitenenana.

 Nahazo fanasana fa tsy tonga ny vadiko‚ izaho no misolontena azy sy nampitondrainy hafatra . Ravoravo zaho mahita atsika vory maro ‚ nanambatra hery ‚ naneho firaisankina . Mahavita raha atsika vaiavy izy koa hagnano ka mitsangana fa aza magneky ribiriben’ologno eky ‚ vognogno zahay roa fivadiany hagnampy sady hiaro atsika vaiavy izy kofa misy ilagna zahay ‚ hoy mpanakanto Vaney’s Harinomenjanahary faly sady nanolotra lela-vola 03 Tapitrisa Ariary ( 15 000 000 fmg ) hoan’ny fikambanam-behivavy rehetra ao amin’ny KB8M.

Teny an-toerana nanontrona ny lanonana ny Jly Lylyson – Governora Faritra Sofia ‚ ny Lehiben’ny Prefektiora ‚ ny Ben’ny tanàna voafidy teto Antsohihy ‚ ireo Talem-paritra maro niaraka tamin’ny vadiny ary Rtoa Assimine – Renin’ny mpanakanto Vaney’s sady filoham-boninahitry ny fikambanana Tia fandrosoana ‚ ity farany moa nanolotra fitaovana fanamafisam-peo ( baffle ) lehibe hoan’ny vehivavy tra-pahasembanana . Vehivavy maro no tonga naneho firaisankina ‚ nanamarika ny andron’ny vehivavy 08 Martsa 2023.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment