a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NARAVONA NY DISADISA MISY EO ANIVON’NY SENDIKA TAXI-VILLE SY KAOMININA

ANTSOHIHY : NARAVONA NY DISADISA MISY EO ANIVON’NY SENDIKA TAXI-VILLE SY KAOMININA

ANTSOHIHY : NARAVONA NY DISADISA MISY EO ANIVON’NY SENDIKA TAXI-VILLE SY KAOMININA

 Tao amin’ny Maison des élus ‚ naharitra adiny 03 mahery ny dinika sy fandravonanana ireo disadisa nisy teo amin’ny samy mpitarika fikambanana mpamily taxi-ville sy ny kaominina ambonivohitry Antsohihy .

Nampangain’ Atoa Zizy ‚ filoha mitarika ny sendika mpamily taxi-ville eto Antsohihy fa manao kolikoly ny Ben’ny tanàna amperinasa ‚ izay voalazany fa naka volan’olona nikarakara fahazahoan-dalana hiasa hanao Taxi-ville Antsohihy ‚ nanome rosia mifanaraka amin’izany vola nalainy izany ( quittance ) kanefa tsy namoaka taratasy fahazahoan-dalana hiasa ( licence d’exploitation taxi-ville ) akory . Io no fototry ny olàna ka nihitatra tamin’ny resaka fako sy pavé aveo…Efa nisy fanazavana nataon’ny sekretera jeneralin’ny kaominina momba io resaka kolikoly voalazan’Atoa Zizy io ‚ nambarany tamin’izany fa fiara tsy nahazo fankatoavana ( inapte ) avy tany amin’ny ivon-toerana misahana ny fitsirihana fiarakodia io fiara tsy nomena alalana hiasa io na efa nanefa vola antsokosoko aza ‚ araka ny fanazavana . Nomena “ quittance ” ihany koa izy ho porofo fa nanefa vola teo anivon’ny kaominina izay tompon’andraikitra misahana izany no naka ny vola fa tsy ny Ben’ny tanàna fa falainana no betsaka indrindra . Nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny kaominina tamin’izany fa tsy afaka manome alalana hiasa ny fiara tsy nahazo fankatoavana tamin’ny ivon-toerana misahana ny fitsirihana fiarakodia ny kaominina ka nasaina namborina aloha ny fiara ary nasaina niverina rehefa vita mba ho fisorohana ny Loza hoan’ny vahoaka izay mampiasa taxi-ville eto Antsohihy ‚ nambara tamin’izany fa tsy manefa vola intsony ilay fiara amin’izay fa iny rosia nomena iny ihany no hoentina mba hanomezana « licence » azy.

Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminan-draharaha ny Lehiben’ny prefektiora Antsohihy sy ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka ‚ ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny ivon-toerana fandoavan-ketra ‚ ny ATT ‚ ny kaominina ary ireo mpitarika fikambanana mpamily taxi-ville eto Antsohihy omaly 06 Martsa 2023 . Tapaka nandritra izany fa hoentina eo anivon’ny tompon’andraikitra sy manampahefana ny SATA mifehy ny fikambanana na sendika an’izy ireo ho jerena mba hamantarana ny adidy sy andraikiny eo anivon’ny sehatr’asa fitateram-bahoaka ( taxi-ville ) . Nampahafantarina ihany koa ny soro-dalana arahina raha hikarakara antotan-taratasy momba ny asa fitateram-bahoaka eto Antsohihy ary ny lalàna izay tokony arahina.

Samy nanambara ny fahafaham-pony na ny andaniny na ankilany izay nilaza fa vonona hanara-dalàna manomboka izao ‚ vonona hanamafy fiarahamiasa eo amin’ny manampahefana sy vahoaka ary hanatsara izany ireo mpitarika ny sendika sy fikambanana TTMA ( Tompon’ny Taxi Mitambatra eto Antsohihy ) . Nomarihina ihany koa fa tsy mitovy ny sendika sy ny fikambanana ka tokony ireo tompon’ny taxi-ville miasa eto Antsohihy no mikambana ao anaty sendika ‚ ary izany no anisany nanafarana ny SATA n’izy ireo afahana manampy azy ireo amin’ny fametrahana ara-dalàna ny tena sendika ‚ itambaran’ny tompony Taxi-ville rehetra ho iray ‚ afahana mampandroso ny sehatr’asa sy ny tanàna Antsohihy . Niravona araka izany ny disadisa ary tsy mbola nisy resaka fampidirana BAJAJ hiasa eto Antsohihy nandritra ny dinika natao fa famahana olàna nisy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment