a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NIZARA HO ROA NY SENDIKA TAXI-VILLE

ANTSOHIHY : NIZARA HO ROA NY SENDIKA TAXI-VILLE

ANTSOHIHY : NIZARA HO ROA NY SENDIKA TAXI-VILLE

Vaky ny ady eo ary ho lasa lavitra izy ity raha tsy misy fepetra raisin’ny manampahefana . Fantatra ankehitriny fa nizara roa ireo sendika Taxi-ville eto Antsohihy ‚ iray miaraka amin’ingahy Zizy ‚ ny iray hafa miaraka amin’ingahy Claude ‚ ireto farany moa nivaky noho tsy fifanarahana sy disadisa anatiny.

Samy nampiantso fivoriana izy roa ireo rahampitso alahady 05 Martsa 2023 samy amin’ny 03 Ora tolakandro fa ny iray tarihin’i Claude ao amin’ny Maison des Élus izay hanasana ny olona rehetra tsy an-kanavaka miantsehatra amin’ny asa momba ny Taxi-ville ( tompon’ny fiara sy mpamily ) ‚ ao amin’ny hôtel de France kosa ilay tarihin’ingahy Zizy.

Ho fantatra eto izay tena mahatarika olona na mahatarika mpamily taxi-ville . Andrasana ny mety ho fanambarana ataon’ny andaniny sy ankilany ‚ vahaolana ve sa fanampin’ny olàna ny antom-pivoriana ? Hoy ireo mpanara-baovao mametra-panontaniana.

Manoloana ireo disadisa ireo dia maro ny miantsoantso ny fampidirana Bajaj hiasa eto Antsohihy ‚ izay toherin’ireo mpamily taxi-ville mafy ‚ tsy olàna ara-pitaovana no misy eto Antsohihy fa disadisa eo amin’ny mpitondra sy sendika ‚ hoy ny sasany maneho ny heviny . Marihina fa ny tsy fanomezan’ny kaominina alalana hiasa ny fiara « inapte » rehefa nandalo fitsirihana tamin’ny ivontoerana misahana izany no fototry ny disadisa izay mbola tsy milamina hatramin’izao ary niteraka ady anatiny.
_____________________________
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment