FAMONGORANA TAMBAZOTRAN’NY TANORA MADITRA ANTSOHIHY : MANDRAY NY ANDRAIKINY NY POLISY
Betsaka ireo mitaraina very vola ‚ voarava eny an-tsena ary misy andiana Tanora maromaro mifampitoratoraka arivariva ka miteraka tebiteby eo anivon’ny fiarahamonina . Mivorivory ambodi-tranon’olona izy ireo midoroka zava-mahadomelona ( mifoka paraky ‚ sigara ‚ rongony ‚ misotro toaka ) . Mpianatra eny amin’ny EPP ‚ KOLEJY sy LYSEA miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ‚ Tovovavy sy Tovolahy tombana ho 12 taona ka hatramin’ny 20 taona izy ireo ‚ mivorivory eny amin’ny toerana mangingina sy takona tsy betsaka olona . Manodidina ny mosquée Ambalabe Ouest sy any amoron-drano Ambavan’Antsohihy …no tena ahitana azy ireo matetika.
Mandray ny andraikiny manoloana izany ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ‚ misambotra sy manadihady ary mandray fepetra manoloana ireo Tanora efa tratra ‚ mba ho fananarana.
Sary azo nandritra ny fisamborana androany 02 Mars 2023 tokony ho tamin’ny 10 Ora maraina teo ‚ natambatra amin’ny sarin’ireo zatovovavy mifoka sigara sy rongony azon’ny mpanao gazety ny andron’ny Journée des écoles – 22 Febroary 2023 teo.