a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : RAIKITRA NY FANDREFESAN-TANY FAOBE

ANTSOHIHY : RAIKITRA NY FANDREFESAN-TANY FAOBE

ANTSOHIHY : RAIKITRA NY FANDREFESAN-TANY FAOBE

Tao Ambalapamba fokontany Ambalabe Ouest ‚ kaominina ambonivohitry Antsohihy no nanombohana ny hetsika fandrefesan-tany faobe izay karakarainy ministeran’ny fananan-tany sy fanajariana ny tany mba hiarovana sy handravonana ireo disadisa ateraky ny ady tany eny anivon’ny fokontany no anton’izany.

Tsy mijanona amin’ny fandrefesan-tany ihany ny hetsika fa ho tohizana amin’ny fizarana kara-tany ‚ vinavinaina hahatratra hatramin’ny 02 Tapitrisa mahery ny kara-tany omena ny vahoaka Malagasy ‚ manerana an’i Madagasikara ‚ tsy diso anjara amin’izany ny ato amin’ny Faritra Sofia ‚ hoy ny fanazavana nataon’Atoa Jean René – Tale Jeneralin’ny fananan-tany sy fanajariana ny tany

Tsy mbola nisy tahaka izao hatrizay niainanay hoy ireo Ray aman-dReny Sojabe naneho ny fankasitrahana amin’ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana . Tsy miaro ny tany tsy ho ravain’olona ankeriny ihany ity hetsika ity fa mitondra fitoniana sy fandriampahalemana ifotony.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment