a
FandraisanaSosialyFARITRA SOFIA : NOMENA JIRO MAZAVA (LAMPADAIRE) IREO BEN’NY TANÀNA

FARITRA SOFIA : NOMENA JIRO MAZAVA (LAMPADAIRE) IREO BEN’NY TANÀNA

FARITRA SOFIA : NOMENA JIRO MAZAVA (LAMPADAIRE) IREO BEN’NY TANÀNA

 Ben’ny tanàna na solontenan’ny Ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina 120 mandrafitra ny faritra Sofia no tonga teto Antsohihy renivohitry ny Faritra tamin’ity herinandro ity ‚ niatrika fihofanana sy fampahafantarana momba ny lalàna sy dingana arahina amin’ny fandrefesan-tany faobe sy fanomezana kara-tany izay iarahana amin’ny tetik’asa CASEF ‚ mametraka ny Birao Ifotony Fananan-tany.

Vita ary namonjy fodiana ireo Ben’ny tanàna androany 28 Febroary 2023 ka samy nomen’ny Governoran’ny Faritra Sofia JIRO MAZAVA “ LAMPADAIRE ” izy ireo mba hanazana ny tanàna misy azy . Nanolotra izany sady nisolotena ny Jeneraly Lylyson ‚ Governoram-paritra ‚ ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra.

Nitondra teny fisaorana sady nisolotena ireo Ben’ny tanàna rehetra ‚ Atoa Ratsarahaja Jonah – Ben’ny tanàna voafidy tao Mampikony.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment