a
FandraisanaSosialyFIZAMA ANTANANARIVO : FAMAHANA OLÀNA ANY AN-TANÀNA NO LAHARAM-PAHAMEHANA FA TSY ADY SEZY ‚ HOY NY FILOHA

FIZAMA ANTANANARIVO : FAMAHANA OLÀNA ANY AN-TANÀNA NO LAHARAM-PAHAMEHANA FA TSY ADY SEZY ‚ HOY NY FILOHA

FIZAMA ANTANANARIVO : FAMAHANA OLÀNA ANY AN-TANÀNA NO LAHARAM-PAHAMEHANA FA TSY ADY SEZY ‚ HOY NY FILOHA

Tao amin’ny Espace Loharano Itaosy Antananarivo no nifamotoana ‚ nitrabajihy ‚ nifampiarahaba tratry ny taom-baovao ny samy zanakin’ny Distrikan’i Mandritsara izay mivondrona ao anaty FIZAMA ( Fikambanana Zanaka Ampielezan’i Mandritsara eto Antananarivo ) ny sabotsy 25 Febroary 2023 teo.

azana avokoa ny ankamaroan’ireo Ray aman-dReny ‚ Sojabe ‚ olon-tsotra ‚ tompon’andraikitra ara-panjakana avy ao amin’ny Distrikan’i Mandritsara izay mipetraka any Antananarivo ‚ singanina manokana amin’izany ny Minisitra teo aloha Tehindrazanarivelo Alain Jacob ‚ Razafimandimby Éric ‚ Zafilaza ‚ Filohan’ny HCDDED amperinasa Navony Pierre Lenoble izay filoham-boninahitry ny fikambanana ‚ ny Tale Jeneralin’ny fananan-tany sy fanajariana ny tany Jean René ‚ ireo manamboninahitra Jeneraly sy Manamboninahitra ambony miaramila ‚ zandary ary polisy zanaky Mandritsara.

Aoka tsy hanaiky atao fitaovana politika isika zanakin’ny Faritra Sofia ‚ Aza manaiky ampiadiana sy ampisaraham-bazana fa firaisankina no hery ary izay mitambatra vato ‚ hoy Ray aman-dReny sady filoham-boninahitry ny FIZAMA ‚ Navony Pierre Lenoble raha nandray fitenenana.

Tsy ady seza no mahamaika sy laharam-pahamehana fa fitsinjovana sy fampandrosoana ary fitadiavam-bahaolana amin’ireo zavatra mampijaly vahoaka any an-tanàna toy ny fahapotehany lalam-pirenena faha-32 ‚ tsy fahampiany rano fisotro madio ‚ jalin-drano rehefa maintany ‚ tsy fisian’ny tohadrano hampiroboroboana famokaram-bary nefa orana tsy ampy ary ny famokarana herinaratra mihainga avy ao Marotandrano … Ireo ny ampahan-teny nataon’ny Filohan’ny FIZAMA Berges Tsiarovana Angelino ‚ izay nanamafy fa tsy manao politika ny fikambanana ‚ vonona kosa hifanome tànana amin’ny fampandrosoana ny tanàna sy ny Faritra nihaviana.

 Tazana nanontrona teny ny Ben’ny tanàna voafidy tao Antehiroka Lalaina Vatosoa ‚ ny Solombavambahoaka voafidy tao Mandritsara taloha ary ireo Mpanakanto zanaky ny Distrikan’i Mandritsara ( LEJIM 415 – EJEMA – JUDICAËL – SALVA PANGA – SISCA – BRUNO JAOZARA … ) . Tsy tazana teny ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ Governoram-paritra Sofia izay fantatra fa namonjy sy nanontrona ireo zanaky ny Faritra Sofia any Toamasina ‚ Tsy tao ihany koa ny Solombavambahoaka voafidy tao Mandritsara sns .

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment