a
FandraisanaVaovaom-paritraOLONA NIOVA HO TARONDRO ANTSOHIHY : VAOVAO DISO MIPARITAKA▪️MANAKORONTANA SAIM-BAHOAKA

OLONA NIOVA HO TARONDRO ANTSOHIHY : VAOVAO DISO MIPARITAKA▪️MANAKORONTANA SAIM-BAHOAKA

OLONA NIOVA HO TARONDRO ANTSOHIHY : VAOVAO DISO MIPARITAKA▪️MANAKORONTANA SAIM-BAHOAKA

Betsaka ireo nivarahontsana nahita vaovao sy sary miparitaka milaza fa nisy olona maromaro niova ho tarondro ( kandrondro ‚ tanalahy ) eto Antsohihy kanefa diso tanteraka izany rehefa nataon’ny mpanao gazety ny fanadihadiana . Sangisangy sy fitadiavana laza eo amin’ny samy tanora no voalaza ho antony fanapariahana ireny sary mampangorohoro sy manakorontana saim-bahoaka ireny ‚ araka fanadihadiana natao.

Hatreto dia salama tsara ary olombelona mitafy nofo sy ra no afaka mitsangana tsara ireo olona maromaro voalaza ho nivadika tarondro ireo.

 Voaràràn’ny lalàna ny fanapariahana vaovao tsy marina na diso hanakorontanana saim-bahoaka ka miantso ny tanora handinika sy hamakafaka tsara ‚ mialohan’ny hanapa-kevitra hanao zavatra iray mba tsy hisian’ny nenina.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment