a
FandraisanaToekarenaFARITRA SOFIA – TETIK’ASA CASEF : KAOMININA 39/120 NO NAMETRAHANA BIF ( Birao Ifotony Fananan-tany )

FARITRA SOFIA – TETIK’ASA CASEF : KAOMININA 39/120 NO NAMETRAHANA BIF ( Birao Ifotony Fananan-tany )

FARITRA SOFIA – TETIK’ASA CASEF : KAOMININA 39/120 NO NAMETRAHANA BIF ( Birao Ifotony Fananan-tany )

 Fokontany an-jatony ‚ anaty kaominina 39/120 no efa misitraka ny tetik’asa CASEF izay miara-mihentana amin’ny Ministeran’ny fananan-tany sy fanajariana ny tany amin’ny fanomezana kara-tany ny vahoaka ifotony ‚ ho fiarovana ny tanin’ny tantsaha tsy ho lasan’ny mpandrebireby na koa mpisandoka tany.

 Mitohy ny ezaka ataon’ny Ministera amin’ny fanatsarana sy fanapariahana izany manerana ny Faritra Sofia ‚ nidina ifotony ary nitafa tamin’ny Ben’ny tanàna ato amin’ny Faritra tao amin’ny Maison des Élus ‚ ny Tale jeneralin’ny fananan-tany sy fanajariana ny tany ‚ Atoa Jean René ‚ mba afahana manatsara ny fomba fiasa ‚ namantarana ireo olàna sy filàna ifotony ‚ ho fanatsarana ny ezaka efa vita hanatanterahana ny vinan’ny fitondram-panjakana.

Nitaky ny hametrahana ny BIF ( Birao Ifotony Fananan-tany ) manerana ny kaominina 120 mandrafitra ny faritra Sofia ny Solombavambahoaka Djaosera Irénée voafidy tao Analalava ‚ izay nohamasin’ny Solombavambahoaka Volahaingo Marie Thérèse voafidy tao Bealanana ho famahana olàna momba ny tany ifotony izay amoizana aina sy miteraka tsy fandriampahalemana ihany koa . Tazana nanontrona ny fotoana ny lehiben’ny Prefektiora ary nisolotena ny Gouverneur Faritra Sofia kosa ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment