a
FandraisanaPolitikaPARAINA AUGUST : IZA NO MBOLA MATOKY OLONA MPAMITAKA INY

PARAINA AUGUST : IZA NO MBOLA MATOKY OLONA MPAMITAKA INY

PARAINA AUGUST : IZA NO MBOLA MATOKY OLONA MPAMITAKA INY

Naneho ny heviny avy hatrany i Paraina August ‚ manam-pahaizana zanakin’ny faritanin’i Fianarantsoa avy ao Farafangana manoloana ireny fanambarana nataon’ny Filoha nasionalin’ny FIZAFAFI sady filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa ‚ izay mitaky ny hanomezana zanakin’ny faritan’ny Fianarantsoa ho Praiminisitra sy filohan’ny Antenimierampirenena ary hanendrena minisitra miisa 10 avy any Fianarantsoa ho mpikambana eo anivon’ny Governemanta mba ho takalon’ny vato izay homena azy ( Filoha Andry Rajoelina ) amin’ny fifidianana izay ho avy.

Diso fanantenana tamin’ny fiatrehana iny lanonana iny izahay sy ireo olobe ‚ Ampanjaka sns . Tsy misy fanambarana politika no nifanarahana tamin’ny voalohany ka tonga izahay niatrika ny lanonana ary tonga maro kanefa ireny ny zava-nitranga ‚ iza intsony no mbola hatoky sy hanome ny vatony hoan’olona mpandainga sy mpamitaka iny ? Iny ve mbola atokisana ? Hoy Paraina August nilaza fa ho rava tsy ho ela io FIZAFAFI Tarihiny Christine Razanamahasoa io ‚ raha mitohitohy ireny ‚ nambarany ihany koa fa tsy hevitrin’ny zanakin’ny faritanin’i Fianarantsoa rehetra ireny fa an’ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny ekipany.

 Tsiahivina ihany fa efa nisy fotoana nanomana fitsipaham-pitokisana ny Governemanta Ntsay Christian ny Solombavambahoaka maro teo anivon’ny Antenimierampirenena izay tarihiny Christine Razanamahasoa saingy rava maina izany ary voatery nanao fanambarana tampotampoka ny filohan’ny Antenimierampirenena ‚ nampitsahatra izany ka tsy nisy tohiny intsony ‚ ity farany moa voabedin’ny Filoham-pirenena mafy ka latsaka hatramin’ny ranomasony ary saika hametra-pialana mihitsy araka ny resaka sy vaovao niely tamin’izany.

Manomboka mametraka fifanarahana ara-politika mba hisian’ny fiaraha-mitantana ny firenena amin’ny fitondrana manaraka araka izany ireo mpanao politika izay mahay manao lela-mamy rehefa vory lanona ny vahoaka.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment