FIZASOF TOAMASINA : FIRAISANKINA NO HERY
Tontosa tao amin’ny Espace Marmite Barikadimy Toamasina ny lanonana fifampiarabana tratry ny taom-baovao 2023 izay nataon’ny FIZASOF ( Fikambanana Zanaka Sofia ) mipetraka sy mianatra any Toamasina.
Anisan’ireo nahazo fanasana manokana hiatrika izany ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ Gouverneur Faritra Sofia sy ny Solombavambahoaka voafidy tao Port Bergé ary tonga tany izy roa mirahalahy nisolotena zanaky ny Faritra an-tanàna nanontrona ireo zanaky ny Faritra ao Toamasina . Zokinareo ‚ Ray aman-dReninareo izahay ka mahatsiro ho manana adidy aminareo ary tsy manadino anareo ihany koa ‚ hoy ny Jeneraly Lylyson ‚ raha nandray fitenenana sady nankahery ireo mpianatra mianatra ao amin’ny Oniversiten’ny Toamasina ‚ niantso fanamasinana firaisankinan’ny zanaky ny Faritra Sofia izay mieli-patrana eran-tany ihany koa izy ary hitodi-doha amin’ny fampandrosoana ny Faritra iarahamanana.
Faly ary mahatsiro ho manana Ray aman-dReny tokoa ireo zanaky ny Faritra Sofia monina sy mipetraka any Toamasina izay niara nifety tamin’ny Governoran’ny Faritra Sofia ny Sabotsy 25 Febroary 2023 teo . Tazana teny ihany koa ny Governoran’ny Faritra Atsinana sy ny Ben’ny tanànan’i Toamasina.