a
FandraisanaPolitikaFARITRA SOFIA : JENERALY IRAY SY MPITSABO ROA ARY TEKNISININA ROA NO MIFANINANA HANDROMBAKA NY TOERAN’NY GOVERNORA

FARITRA SOFIA : JENERALY IRAY SY MPITSABO ROA ARY TEKNISININA ROA NO MIFANINANA HANDROMBAKA NY TOERAN’NY GOVERNORA

FARITRA SOFIA : JENERALY IRAY SY MPITSABO ROA ARY TEKNISININA ROA NO MIFANINANA HANDROMBAKA NY TOERAN’NY GOVERNORA

Fantatra tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra farany teo fa misy Governoram-paritra maromaro no efa notendrena sy noesorina teo amin’ny toerana maha Governora azy ( Diana ‚ Ihorombe ‚ Alaotra mangoro ‚ Amoron’i Mania ) taorian’ny fanovana mpikambana eo anivon’ny Governemanta . Nivoaka taorian’io ihany koa ny horonam-peo mirakitra ny resaka nifanaon’ny Jeneraly Lylyson sy vehivavy iray izay olona heverina ho atokisany ka niteraka resa-be ary niafara tamin’ny ampamoaka momba ny raharaha nandalo teto amin’ny firenena sy fifandirana teo amin-drizareo samy begalona saingy nangingina ihany izany tamin’ity farany herinandro ity.

Betsaka ny vaovao nivoaka ary samy naneho ny heviny ny mpanara-baovao manoloana ireny tranga niseho ireny ‚ mandeha ny feo ary manomboka mahoraka hatreto fa ho esorina eo amin’ny toerana maha Governora azy ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ zanaka Sofia avy ao Befandriana avaratra . Misy olona 05 ‚ voalaza fa nandefa antotan-taratasy ( CV ) any amin’ny fiadiana ny Repoblika ‚ vonona handimby sy hisolo azy eo amin’ny toerana . Jeneraly miaramila iray efa misotro ronono sy Mpitsabo roa ary Teknisinina roa voalaza efa mitana andraikitra eo anivon’ny Faritra ankehitriny no voatonontona fa nandefa antotan-taratasy hisolo azy io ‚ araka ny loharanom-baovao.

 Omena toerana hafa araka izany ve sa hoesorina tsotra izao amin’ny toerana maha Governoran’ny Sofia azy ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ? Hoy ny mpanara-baovao mametra-panontaniana . Ny fotoana hivoahan’ny fanendrena Governora vaovao ato amin’ny Faritra na mety fanapahan-kevitra hafa avoakan’ny filan-kevitry ny Minisitra no andrasana hamaly ny fanontaniana . Raha ny tetiandrom-pifidianana no horesahina dia 07 volana sisa ny fe-potoana ananan’ny Filoha Andry Rajoelina hanatanterahana ireo velirano 13 dia tsy maintsy mametra-pialana izy raha mbola mieritreritra ny ho kandida ‚ hanaraka ny voalaza ao anatin’ny lalam-panorenana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment