a
FandraisanaFambolena sy fiompinaTANORA ANTSOHIHY : NAHAVITA NAMBOLY ZANA-KAZO 1500 TAO BEKITROBAKA

TANORA ANTSOHIHY : NAHAVITA NAMBOLY ZANA-KAZO 1500 TAO BEKITROBAKA

TANORA ANTSOHIHY : NAHAVITA NAMBOLY ZANA-KAZO 1500 TAO BEKITROBAKA

Tsy sakana ny halaviran-toerana 07 KM nanaovana dia tongotra mandroso sy miverina ‚ navitrika ny tanora tombanana 300 mahery nanatanteraka ny fambolen-kazo niraisana izay nokarakarainy vondrona iraisan’ny tanora Antsohihy ( Plateforme des Jeunes Antsohihy ) . Fikambanana Tanora maro no tonga namaly antso.

Zana-kazo fihinam-boa sy karazany hafa miisa 1500 no vita voly androany 25 Febroary 2023 ‚ hisy ny fikarakarana sy fanarahamaso atao mba tsy ho zava-poana ny zava-bitan’ny tanora hoy Rtoa Josiane filohan’ny vondrona iraisan’ny tanora Antsohihy.

 Nanampy tamin’ny hetsika rehetra Rtoa Assimine dit Maman’ny Mpanakanto Vaney’s Harinomenjanahary ‚ ny Lehiben’ny Prefektiora ‚ ny Ben’ny tanàna Antsohihy ‚ ny Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy ‚ ny Talem-paritry ny rano fidiovana sy fanadiovana ‚ ny Talem-paritry ny tanora sy fanantanjahan-tena ‚ ny Zandarimariam-pirenena ‚ ny Cnaps Antsohihy …

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment