a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NOFEFEN’NY MPANAMBOLA NIARAKA AMIN’NY TANINY NY LALAM-BAHOAKA

ANTSOHIHY : NOFEFEN’NY MPANAMBOLA NIARAKA AMIN’NY TANINY NY LALAM-BAHOAKA

ANTSOHIHY : NOFEFEN’NY MPANAMBOLA NIARAKA AMIN’NY TANINY NY LALAM-BAHOAKA

Tsy lava resaka aho fa avereno amin’ny taloha ny refin-dalana fa izaho tsy nanome alalana anareo nanorina io fefin’ny trano io . Efa lalana hatrizay teto ‚ hoy ny hiraka nalefan’ny Ben’ny tanàna ( Agent voyer ) hamaha olàna momba ny fibodoana tanim-panjakana ‚ lalam-bahoaka ataon’ireo voalaza ho mahitahita ka mandrebireby sy mandrahona ireo tompon’andraikitra manao asa fandaminana eny ifotony ‚ ao amin’ny fokontany Haute ville ‚ ambadikin’ny Hôtel Centrale taloha ‚ voabahana sy tsy afaka hidiran’ny fiara na moto tricycle intsony ankehitriny.

Tsy raharahinay na hanao “building” ry zareo mpanambola ‚ Tsy tanin’izy ireo no angatahinay fa lalana izay zo-nay ‚ Tsy miady izahay fa mitaky zo-nay ary manao antso amin’ny tompon’andraikitra mahefa fa efa tsy rariny intsony fangalarana tany sy fibodoana tanim-panjakana ataon’ireo mpanambola izay mibahana ny lalana miditra aminay . Iza no nivarotra io tanim-panjakana izay lalam-bahoaka hatrizay io tamin’izy ireo ‚ ny kaominina ve sa ry zareo ao amin’ny biraon’ny fananan-tany ? Maninona ihany koa tsy mety voavahy ity olàna ity efa am-bolana maro izay sa efa nisy voavidin’izy ireo ve ny tompon’andraikitra ? Hoy ireo vahoaka izay voabahan-dalana ao amin’ny fokontany Haute ville Antsohihy androany 24 Febroary 2023‚ Nanaitra ny manampahefana mba handray fanapahan-kevitra ara-drariny hisiany hitsiny sy fanarahan-dalàna fa tsy ho baikon’ny vola.

Teny ifotony ireo mpanolotsaina monisipaly sy tompon’andraikitra avy ao amin’ny fananan-tany sy fandrefesan-tany saingy nody izy ireo rehefa avy nandrara sy nibetroka mpanao gazety manao ny asany . Raha mbola nanohy sy nanao ny asany kosa ireo mpanolotsaina monisipaly sasany niaraka tamin’ny Agent Voyer ary ireo fokonolona ifotony.

Niezaka nanontany ny ankilany moa ny mpanao gazety saingy avonavona no nasetriny fa tsy nahazahoam-panazavana . Hatramin’ny oviany vao hanjaka ny rariny sy ny marina manoloana ny fampiasam-bola amin-karena ataon’izay tehoambonin’ny lalàna? Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny…

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment