a
FandraisanaPolitikaDEPIOTE FIDÈLE : KOLONELY RICHARD RAVALOMANANA NO NITONDRA MIARAMILA NANAFIKA ANDRY RAJOELINA TAO AMBATOBE

DEPIOTE FIDÈLE : KOLONELY RICHARD RAVALOMANANA NO NITONDRA MIARAMILA NANAFIKA ANDRY RAJOELINA TAO AMBATOBE

DEPIOTE FIDÈLE : KOLONELY RICHARD RAVALOMANANA NO NITONDRA MIARAMILA NANAFIKA ANDRY RAJOELINA TAO AMBATOBE

Mbola mitohy ny resa-be momba ny feon’ny Jeneraly Lylyson nisy nanaparitaka omaly 22 Febroary 2023 ‚ izay tsy nahafaly an’ny Jeneraly Richard Ravalomanana sy ny tompon’andraikitra manamboninahitra Jeneraly sasany eto amin’ny firenena Malagasy ka nitondrasan’izy ireo teny fanaratsiana sy fanatsatsoana ary resaka tsy mitombiny araka ny fanazavana voaray momba ny tantara sy zava-nitranga tany aloha . Naneho ny heviny sy nanao ampamoaka ‚ nampatsiahy tantara momba ny raharaha 2009 ny Depiote Fidèle Razarapiera tao amin’ny fandaharana Miaramanonja androany 23 Febroary 2023.

Tsy misy tokony hahataitra fa rariny raha namoaka iny fitarainana iny ny Jeneraly Lylyson izay niady mafy ary nanao ezaka rehetra tamin’ny fametrahana an’i Andry Rajoelina teo amin’ny toerana maha Filoham-pirenena azy . Raha tsiahivina ny tantara ny taona 2009 ‚ Kolonely Richard Ravalomanana no nitarika miaramila avy tany Moramanga ‚ nanafika Ben’ny tanàna Andry Rajoelina tao Ambatobe saingy nampandosirina ity farany ‚ nampanaovina « perruque » mihitsy mba afahana manavotra azy tamin’izany fa aza disoana ny tantara ary tantara tsy fanadino fa izaho no vavolombelona eto ‚ aza hosorana “ vidange ” na lokoina maintimainty ny namana mba ho takona ‚ hoy ny ampamoaka nataon’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ambatondrazaka.

Nafana ny raharaha teny amin’ny CAPSAT sy teny Fort Duschène ary teny amin’ny BANI Ivato ‚ ny Kolonely Lylyson sy ny ekipany no nandrava sy nampandresy ny hetsika teny izay namoizana an’ny Chef Ramaroson na i Vazaha rehefa tsy voatohitr’ireo mpitandro filaminana notarihiny Jeneraly Richard Ravalomanana . Ny raharaha nafana teny Mosole tsy nahitana an’ny Jeneraly Richard Ravalomanana sy SEG amperinasa amin’izao . Efa teo ny Jeneraly Richard Ravalomanana tamin’ny raharaha Remenabila sy firongatry ny tsy fandriampahalemana tany amin’ny faritra atsimo iny tamin’ny fotan’andro fa tsy nahavita ‚ nalefa tany ny Kolonely Lylyson nandamina sy nampandry tany ary nisambotra an’i toka-nono sns . Voahenjika izy tamin’izany fa niaretany . Nandany vola nanofa “hélicoptère” nanao fampielezan-kevitra nitety faritra maro tamin’ny fihodinana faharoa taona 2018 ny Kolonely Lylyson mba hampandresena an’i Andry Rajoelina ‚ tsy nahavita izany ny Jeneraly Richard Ravalomanana sy SEG amperinasa amin’izao kanefa nahazo toerana ary mbola manilika sy manaratsy namana samy mpitandro filaminana . Tsy mety izany ‚ tantara tsy fanadino ‚ hoy hatrany Depiote Fidèle tao amin’ny fandaharana Miaramanonja.

Na nafy aza ireo zavatra niainany sy lalan-tsarotra izay nandalovan’ny Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ na efa nahilikilik’ireo amin’ny fitondrana aza izy dia tsy mbola nilaza hiaraka aminay fa manohana hatrany ny Filoha Andry Rajoelina ka rariny raha nitaraina izy fa tsy nandrahona na tezitra ary izy ary mbola nankasitra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoha fa izany no zava-misy eto amintsika ‚ hoy hatrany ity Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ambatondrazaka ity tao amin’ny fandaharana Miaramanonja androany.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment